Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Fisolokiana – Vehivavy iray indray no sarona

Ramatoa iray 39 taona, izay malaza ratsy amin’ny fisolokiana no saron’ny polisy, ny alatsinainy 4 janoary lasa teo, teny Ambodifilao. Milaza ho mahatafiditra mpiasa ao amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena eny Anosy izy io. Efa olona maro no voasolokiny izay samy angalany vola mitentina 1 400 000 ariary avy fa ny fito ihany no sahy nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ny “Sûreté urbaine de Tananarive” na ny Sut, ny volana novambra 2015 lasa iny. Nilaza ireo lasibatra nandritra ny fametrahana fitoriana fa vehivavy iray miasa ao amin’ny ministera voalaza eo ambony no mahatafiditra mpiasa hiasa ao ka nasainy nanomana antontan-taratasy maromaro toy ny dika mitovin’ny kara-panondrom-pirenena, ny diplaoma « maîtrise » sy ny fanamarinam-ponenana. Rehefa natao ny fanadihadiana teny anivon’ny ministeran’ny Fanambeazam-pirenena dia  nilaza tsy misy mahafantatra azy ireo mpiasa tao. Nandeha, noho izany, ny fikarohana an’ ilay ramatoa saingy tsy hita izy raha tsy ny alatsinainy hariva teo ary ny iray tamin’ireo mpitory no nahita azy. Niantso ny polisy avy hatrany iry voalohany ka dia noraisim-potsiny izy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre