Gastronomie pizza – Hanasongadina ny orinasa malagasy
Orinasa tantanan’ny malagasy ny Gastronomie pizza ary mikendry hatrany manome sakafo manaja ny tokantrano malagasy sy ny fitsipi-pifehezana amin’ny fandrahoana sakafo araka ny tokony ho izy. Ny tanjona dia ny hanasongadinana ny orinasa malagasy mba ahafahana misintona ny sain’ny mpitondra. Araka ny fanambaran’i sefo Mbinina, filohan’ny Gastronomie pizza dia mafy ny mahazo ireo orinasa manoloana ny fitontonganan’ny vidim-piainana izao ka, noho izany, mangataka ny hisian’ny fanalana ny hetra aloa amin’ny fitaovana ilaina amin’ny fandraisana vahiny izy. « Tsy mitsahatra mitontongana ny fahefa- mividy sy ny vola malagasy izay mitarika ny faharerahana sy ny fahakiviana aminay mpitantana orinasa amin’izao fotoana izao. Mila tolo-tanana avy amin’ny fanjakana izahay. »
Fiarahabana tratran’ny taona
Notanterahana omaly, teny amin’ny espace Salohy, ny fifampiarahabana ho an’ireo mpiara-miasa ao amin’io orinasa io. Raha alohan’ny krismasy foana ny fankalazana hatramin’izay dia natao amin’ny taom-baovao izany tamin’ity indray mitoraka ity, noho ny fanajana ny zon’ny mpanjifa. Nisy ny fizarana kilalao ho an’ireo zanak’ireo mpiasa ary mari-pankasitrahana kosa ho an’ireto farany mba hahatonga azy ireo hazoto hatrany. Tamin’izany ihany koa no nararaotin’i sefo Mbinina niarahaba ny vahoaka malagasy, na dia efa sarotra aza ny fiainana dia mbola manjifa hatrany ny zavatra vokarin’izy ireo, izay ahafahan’izy ireo mamelona olona maro be. Nampanantena ihany koa izy amin’ny fanantevenana ny ekipa amin’ity taona ity ahafahana mampitombo ny fahaizana mikarakara sakafo isan-karazany sy ny famoronana asa.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







