Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Halatra omby – Tsy nisy ny fandraisan’andraikitra ny mpitandro filaminana

Mahazo vahana tsy misy ohatr’izany ny halatra omby any amin’ny distrikan’i Mandritsara amin’izao fotoana izao. Manoloana izay indrindra dia velon-taraina amin’ny tsy fandraisan’andraikitra ny mpitandro filaminana ireo mponina any an-toerana. Nisehoana fanafihana dahalo tao amin’ny fokontany Lovialampy, kaominina Ambohimasoa, ny faran’ny volan’ny oktobra 2015 lasa iny. Vatan-dehilahy miisa 15 milanja basy no tonga tao nandroba omby aman-jatony. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana niresaka taminay an-telefaonina dia andro alakamisy izay fotoana fanaovana vaksiny  ireo omby rehetra any an-toerana no nanararaotan’ireo olon-dratsy nangalarana. Nirefodrefotra ny basy ary tsy vitan’izany fa mbola nofatoran’izy ireo ilay veterinera mpanao vaksiny. Novahan’izy ireo avy eo ny valan’omby ka lasa avokoa ireo biby.

Nanara-dia ireo dahalo avy hatrany ireo fokonolona taorian’izay ary ny sasany kosa nampandre ireo zandary izay 50 kilometatra niala izany tanàna izany. Nanapaka tao anelanelan’i Andilamena sy Miarinarivo, noho izany, ireo mpitandro filaminana saingy nijanona izy ireo avy eo, araka ny fanambarana hatrany. « Efa telo volana izao no nahavery ireo ombinay ary tsy fantatra hatramin’izao ny niafarany. Miisa 30 ny ombiko lasa any. Ireo mpitandro filaminana izay nantenaina  tsy nandray ny andraikiny », hoy i Rochel, isan’ireo very omby.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre