Mahajanga – Mpanolana roa lahy naiditra am-ponja
Taorian’ny fihainoana azy roa lahy manoloana ny fampanoavana dia naiditra am-ponja any Mahajanga izy ireo. Izy ireto izay malaza ratsy amin’ny fanolanana ireo vehivavy izay tratra irery na amin’ny andro atoandro na amin’ny alina ary tsy mifidy izay asiana fa iharany avokoa na efa vadin’olona, na tanora, eny fa na ireny vaviantitra ireny aza, eny amin’ny faritry ny “Bloc administrative” sy ny Lisea teknika. Ary omeny safidy izay tratrany na ho faty na manaiky azy, araka ny vaovao avy amin’ny polisin’i Mangarivotra.
Taorian’ny fitarainana nataon’ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana nataon’izy ireo ny alin’ny 29 desambra 2015 lasa teo, no nahafahan’ny polisy tany an-toerana nisambotra azy roa lahy ireo. Ny ampitson’io ihany mantsy dia sarona ny iray tamin’izy ireo. Tsy nijanona teo anefa ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana izay nahafahana nisambotra ilay tena atidoha amin’ny resaka fanolanana, ny talata 5 janoary lasa teo.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







