Fanafihan-jiolahy – Talen’ny departemanta atahorana ny ainy
Talen’ny departemanta iray mitana andraikitra eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, izay monina eny Maroroho, no notafihan’ny andian-jiolahy maromaro, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy ny lelavola mitentina 400 000 ariary, ny vangovango volamena ary ny entana sarobidy samihafa tao an-trano. Tsy vitan’izany fa nokapohan’izy ireo ny zava-maranitra ilay tompon’andraikitra ka vaky loha. Vokany, somary atahorana ny ainy, araka ny filazan’ny mpitsabo nandray azy.
Nampametra-panontaniana ny mpitazana ny raharaha satria lavitra ihany ny fomba nahatafidiran’ireo jiolahy tao an-trano anefa ilay mpiambina tsy naninona mihitsy, raha ny voalazan’ny fampitam-baovao.
Tsy fantatra ihany koa na fifandrifian-javatra fa minitra vitsy taorian’ny fitsidihana nataon’ny tompon’andraikitra ambony hafa tao amin’ny trano fonenany no niseho ny fanafihana. Tsy tao an-toerana kosa ny vady aman-janany fa mbola tany am-panaovana fialan-tsasatra. Arahi-maso akaiky ny toe-pahasalamany amin’izao fotoana izao. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







