Sakaraha – Mbola mirongatra ny asan-jiolahy
Raha mba efa nilamindamina ny distrikan’i Sakaraha nandritra ny hetsika fahalemena dia lasa niverina indray izao ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Vao mirotsaka ny alina dia raikitra indray ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika tanterahan’ireo olon-dratsy. Ary tsy vitan’ny mandroba ny fananana fa mamono ihany koa izy ireo. Vao tsy ela dia ramatoa iray mpivarotra monina any an-tampon-tananan’i Sakaraha no notafihan’ny andian-jiolahy mirongo kalachnikov sy zava-maranitra.
Nirefodrefotra ny basy. Lasan’ireo jiolahy ny vola an-tapitrisany sy entam-barotra ary ny firavaka volamena. Tsy nijanona teo fa notapahin’izy ireo ny tanany ary mbola notifirina ihany koa ilay vehivavy alohan’ny hivoahan-dry zalahy ny trano. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ilay naratra.
Mampanahy amin’izao fotoana izao ny ho avin’ny tananan’i Sakaraha, vokatry ny fitrandrahana safira. Misarika jiolahy, ary mamono mihitsy ireo. Tsy vitsy ny olona efa nitondra faisana tamin’izy ireo ary manoloana ny tranga niseho tamin’io ramatoa mpivarotra io dia ahiana ny mety mbola hiverimberenan’ny asan-jiolahy any an-toerana, noho io safira io.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







