Ambovombe – Trano 30 tafo nirehitra
Nisehoana hain-trano tany amin’ny kaominina sy distrikan’Ambovombe, ny 9 janoary, tamin’ny 12 ora sy sasany. Trano 30 tafo no indray may, vokatry ny afon’ny fatapera tsy voantandrina, tao an-tokantranon’ny olona iray, tao amin’ny fokontany Anjatokabe. Nijoalajoala ny lelafo ka niitatra teo amin’ireo tokantrano manodidina. Nisahotaka ny iray tanàna ary samy niezaka nanavotra ny ainy sy ny fananany izay zaka ireo niharam-boina. Niezaka nifanome tanana ireo fokonolona mba hamonoana ny lelafo. Nidina teny an-toerana ihany koa ny zandary namonjy ny voina sy niaro ny fananan’ireo olona may trano fa vokatry ny fitsokan’ny rivotra sy ny tsy fahampiana ny rano anefa dia nanano sarotra azy ireo ny namono ny afo. Naharitra ora maro vao voafehy tanteraka ny fahamaizana. Tombanana ho 30 tapitrisa ariary ny fahavoazana naterak’izao hain-trano izao. Fianakaviana 130 no tsy manan-kialofana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







