Fiara karetsaka – Namorona fanamiana
Amin’izao taom-baovao izao dia mikaroka izay hampiavaka azy ny mpitondra fiara karetsaka eny amin’ny manodidina Ankatso sy Tsiadana. Fikambanana fiara karetsaka miisa 15 izy ireo no niara nikaon-doha ka namorona akanjo mitovy entina miasa mba hitovizany izy ireo. Miloko roa ka maitso mazava alina sy mainty ary misy soratra « Taxi » eo amin’ny tratrany. “Nosafidiana ilay loko mazava alina satria misy aminay no miasa alina” hoy ny mpamily iray ka mora no hahafantaran’ny mpandeha efa zatra anay.Omaly faha 11 janoary no niakanjony izy ireo izany voalohany. Marihina fa io fikambanana fiara karetsaka io no voalohany namorona ny fitafiana entina miasa, mba hampiavaka azy ary ho fitaratra ho an’ny hafa, hoy hatrany ny mpamily iray. Ho mora kokoa ny hanavahan’ny mpandeha sy ireo izay efa nahafantatra azy ireo. Ary ho matihanina eo amin’ny fitaterana. Misy ihany ireo Malagasy no mitady izay hahatsara sy hanavao ny fomba fiasa fa eo ihany koa ny mikendry ny hanimba sy hanaratsy lalandava.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







