Ny tompony aza tsy mila !
Miala maina hatrany ireo mpikarakara hetsika ho fitakiana ny nosy kely an’i Madagasikara nefa bodoin’ny mpanjanatany. Mamory vahoaka fa zara raha mahazo olona. Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana fa tsy misy mihaino. Toa lasa ireo mpanao fitakiana indray aza no voatondro ho mpanakorontana sy mpanelingelina ny asa fampandrosoana. Ny tena mahagaga amin’ity raharaha ity dia ny tsy fahasahian’ireo mpanao politika malagasy, milaza ho tia tanindrazana sy mitsinjo ny ho avin’ny vahoaka sy ny firenena, miditra lalina amin’ny fitakiana. Mody manao fanambarana kely madinidinika eny ny mpikambana amin’ireo antoko heverina ho matanjaka toy ny Tim sy Mapar fa miombon-kevitra amin’ny fitakiana ny famerenana ireo nosy kely ireo saingy tsy sahy mijoro imasom-bahoaka manohana ny hetsika mihitsy. Ny tena manaitra sy tsy nampoizina aza dia maro amin’ireo milaza azy ho mpandalina ara-politika no mitondra fanazavana etsy sy eroa fa tsy mety ny hetsika fitakiana an-dalambe. Zara raha misy mpanohana ny fitakiana ny nosy éparses satria hita mibaribary fa mbola mandadilady eo anatrehan’ny vazaha ny ankamaroan’ny mpanao politika malagasy. Matahotra ny ho very fihinanana raha toa ka mamboraka ady mivantana amin’ny taranaky ny mpanjanatany ka dia tsy misy sahy maka risika hanampy ireo mitarika ny fitakiana ireo harem-pirenena nangalarin’ny vazaha ireo.
Andanin’izany ny mpitondra Fanjakana dia mialangalana sy tsy manisy resaka mihitsy mikasika ny fitakiana ireo nosy ireo. Ny Filoha ankehitriny anefa tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevira dia efa nanizingizina fa tsy maintsy takiana ireo tanin’i Madagasikara ireo. Izao anefa tsy nasiany resaka mihitsy. Tamin’ny fotoana nanaovany kabary fiarahabana ireo vahiny nasainy teny Iavoloha no tokony nanipazany teny fa halain’i Madagasikara amin’izay ny taniny. Teo avokoa mantsy ireo masovoho maro monina sy miasa eto amintsika izay afaka mitatitra ny zava-misy any amin’ny firenen’izy ireo any. Tsy nanao antso fitakiana ny nosy éparses ny Filoha ary tsy ho sahy hanao izany satria iankinan’ny fahamarinan-toerany ara-politika izany. Iza teto Madagasikara no mpitondra nanandrana niady tamin’ny vazaha fa tsy nirodana ? Mahafantatra tsara izany lesona mangidy izany ny filoha Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana ary Rajoelina. Vao niana-kendry nampiseho fa mahavita-tena tsy mila ny fanampian’ny vazaha dia niongana avy hatrany. Fantatry ny mpitondra ankehitriny tsara io zava-misy io ka izay no tsy hasahiany mitaky ny fananam-pirenena.
Aleon’ny mpitondra miharitra ny halahelom-bahoaka toy izay hijoro hiaro ny fiandrianam-pireneny manoloana ny barofo ataon’ireo lazainy fa mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara. Raha azo anefa ireo nosy ireo dia tsy mila mangataka sy mandadilady mindram-bola any amin’ny vazaha intsony isika satria harem-be tsy hita pesipesenina no azo trandrahina ao amin’ireo tany ireo. Ny vazaha amin’izao fotoana izao no mitavana sy mivarotra izany haren’i Madagasikara izany ny vahoaka malagasy anefa maty noana tsy mihinan-kanina, tsy misy trano hialofana rehefa miakatra ny rano ary tsy afaka mitsabo tena rehefa marary.
Hararaotin’ny vazaha ny fitiavan-tenan’ny mpanao politika malagasy izay tsolorana kely dia mangina ahafahan’izy ireo mitavana am-pitoniana ny fananan’ny malagasy. Vola kely, toy ny ivin-tsaka, avy amin’ireo haren’i Madagasikara norobainy ihany no mody ampisamboriny hanampiana ny asa fampandrosoana eto amintsika. Ny ampahany betsaka amin’izany anefa dia any am-paosin’ireo fetsilahy politika.
Tsy misy masoandro hihiratra izany ny fiainan’ny malagasy raha mbola izao no zava-misy satria ny tompon’andraikitra nomena fahefana hitondra ny asa fampandrosoana variana mihary tombontsoa ho azy ireo manokana. Tsy antenaina hitondra tolo-tanana ho an’i Madagasikara izany ihany koa ny vahiny satria ny mpitondra eto aza tsy hita izay fepetra mahomby raisin’izy ireo hanavotana an’i Madagasikara. Ny tompony aza tsy tia, hoy ny fitenenana.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







