Campus Mahajanga – Mirongatra ny hala-botry
Mandry tsy lavo loha ireo mpianatra eny amin’ny « campus » ao amin’ny oniversite Mahajanga amin’izao fotoana izao. Raha ny fitarainana voaray, mirongatra ny hala-botry ao amin’io toerana io amin’izao fotoana izao ary tena tsy heno mihitsy ny hidiran’ireo mpangalatra. Esorin’ireo olon-dratsy hatramin’ny takamoa, eny amin’ny « cloison » rehefa hanao ny asa ratsiny ka mamantana fotsiny izy ireo avy eo maka izay ilainy. « Majifa avokoa ny solosaina azo entina sy ny solosaina birao, ny finday, ny vata-fahitalavitra lehibe ilay nivoaka farany ireny ary lasa hatramin’ny vary fotsy izany », hoy i Samuella, monina ao amin’ny fonenan’ny mpianatra any Mahajanga. Mangataka ny fanaraha-mason’ireo mpitandro filaminana any an-toerana, noho izany, ireo mpianatra monina eny amin’ny « campus » amin’ny fijerena akaiky ireo olona mivezivezy ao, nefa tsy mpianatra sy monina ao. Tokony asiana mpiandry eny amin’ny vavahady miditra eny amin’ ny « campus » ary manao ny fisavana. Araka ny fanampim-baovao dia betsaka loatra ireo olona mivezivezy ao amin’izany toerana izany ka tsy fantatra intsony na mpianatra na olon-dratsy.n
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







