Vous êtes ici :

Mercredi 14 Janvier 2026

ombre

Mpamaky fiara – Lasa hatramin’ny môtera

Mirongatra ny halatra ao anatin’ny fiara eto an-drenivohitra. Raha ny « autoradio » sy ny bateria foana hatramin’izay no aripak’ireo mpamaky fiara dia efa mivoatra izany satria aringan’izy ireo hatramin’ny môtera izany amin’izao fotoana izao. Mahita faisana avokoa ireo fiara izay mijanona eny amin’ny toerana fametrahana azy ireny rehefa latsaka ny alina. Tsy mahasakana ireo mpangalatra ny fisian’ireny mpiandry « parking » izay atao hanara-maso ireny toerana ireny fa mahita irika foana handrobana ireo fananan’olona. Tsy fantatra ihany koa na misy firaisana tsikombakomba amin’ireo mpangalatra fa tena miahiahy azy ireo ny mponina eny an-toerana. Efa betsaka ireo fiara lasibatra eny an-toerana ary torak’izany ihany koa ny fitarainana voaray mahakasika ity halatra môtera. Fiara iray nijanona teny amin’ny Parking 67 ha izao no lasibatra vao tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Taitra ny tompon’ny fiara raha namelona izany handeha hamonjy fiasana vao maraina raha tsy velona mihitsy ilay fiarakodia. Rehefa nojerena tao anaty « capot » tsy nisy na inona na inona intsony.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre