Nanapaka jiron’ny kazerina – Mpiasan’ny Jirama iray nosamborina
Mpiasan’ny orinasa Jirama iray sy ny sefo sektera any Mandritsara no notazomina ao amin’ny zandary, ny 12 janoary lasa teo fa nanapaka ny jiron’ny kazerina. Mpiandry ny toby famokarana herinaratra, ao amin’ny fokontany Ambalambe, io mpiasan’ny orinasa Jiro sy rano malagasy voasambotra io. Nisy manam-pahafehana avy any Atsimon’ny Nosy no tonga nivahiny tany an-toerana ny 11 janoary lasa teo ary nonina tao amin’ny kazerina.
Araka ny fitsipaka mifehy any an-toerana mantsy dia tsy azo tapahana ny herinaritra rehefa misy olona ambony tonga mivahiny any na dia miaina ao anatin’ny delestazy isan’andro ary ireo mponina. Tsy izany anefa ny zavatra niseho fa mbola notapahin’io lehilahy io ihany ny herinaratra tao amin’ny kazerina.
Araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia tapahina mifandimby isaky ny sektera ny herinaratra ka anjaran’ny tao amin’ny kazerina tamin’io alin’ny 11 janoary io. Efa mandeha ny famotorana azy roalahy ireo ary andrasana ny ho tohin’ny raharaha satria tsy manaiky ny fanagadrana ireo olona ireo ny mponina ary mitaky ny hamotsorana azy ireo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







