Vous êtes ici :

Mercredi 14 Janvier 2026

ombre

Morondava – Makamba 40 kilao tsy nisy taratasy sarona

Makamba lena 40 kilao no saron’ny zandary tao ambonin’ny taksiborosy, teo amin’ny sampanana hivoaka ny tananan’i Morondava, omaly maraina. Nanao fisafoana teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy tany an-toerana ny mpiasan’ny ministeran’ny Jono, ny marainan’io. Efa nifono labasy sady vonona ny handeha ity taksiborosy ity ka navelan’ireo mpisava hanainga ihany. Rehefa lasa kosa ilay fiara dia nampandre ireo zandary mpanao barazy ireo mpanao fisavana mba hanao ny fisavana.

Sarona, noho izany, ny makamba lena 5 kesika sy 2 sobika, izay milanja 40 kilao. Rehefa nanontaniana izay tompon’ireo haza an-dranomasina  ireo dia samy tsy nisy nilaza ho tompony avokoa ireo mpandeha. Nilaza kosa ilay mpamily fa entana nampiarahana taminy ireo ka nangatahana indray ve ny taratasin’ireo haza an-drano ireo fa nilaza tsy manana izany izy fa hoe alefa any Antsirabe ireo entana ireo. Fantatra noho izany fa tsikombakomba an’ilay mpamily sy tompon’ entana no nahatonga ireo makamba ireo tao amin’ilay fiara ary ahiana tamin’ny alina izy ireo no nampiditra an-tsokosoko izany. Notazomina avy hatrany ilay mpamily ary nogiazana manaraka izany ihany koa ireo entana. Misokatra ny fanadihadiana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre