Vous êtes ici :

Mercredi 14 Janvier 2026

ombre

Antohomadinika – Vehivavy miisa 8 nandroba mpivarotra friperie

Efa tsy ny lehilahy intsony amin’izao fotoana izao no manao ny asa ratsy fanendahana fa miditra an-tsehatra hatramin’ny vehivavy. Raha ny tranga teny Antohomadinika ohatra dia manao andiany ireo vehivavy mpanendaka, izay marihina fa mbola tena vao erotrerony ny sasany.

Ny andron’ny talata, tamin’ny 10 ora maraina no nitrangan’izany. Vehivavy miisa 8 no nandroba ramatoa iray mpivarotra « friperie » eny amoron-dalana. Nambanan’izy ireo ny zava-maranitra ny lasibatra ka tsy afa-nanohitra. Lasa tamin’izany ny vola sy ny finday.

Raha ity tranga ity no heverina dia tsikaritra fa tsy misy safidy intsony ankehitriny ny olona manoloana ny fahantrana fa izay mety ahazoana vola dia atao avokoa. Zany tokoa hoe tsy vitan’ny lehilahy irery intsony ny mamelona ny ao an-tokantrano fa tsy maintsy mandray anjara ihany koa ny vehivavy. Tokony ho mailo, noho izany, ny tsirairay satria sarotra ihany ny fomba mety hanavahana ireo vehivavy mpanendaka  raha ny endriny sy ny fihetsiny ety ivelany.

 

Eny amin’ny fiantsonan’ny taksibe

Eny amin’ireny fiantsonana taksibe eny no tena ahitana azy ireny matetika fa indrindra eny Antanimalalaka sy fiantsonana eny amin’ny 67 ha. Miaraka mitangorona sy miady fiara fitanterana amin’ny olona izy ireo rehefa harivariva ny andro, toy ny olona miandry fiara rehetra. Ireo mpandeha amin’ny taksibe an’Ivato sy Itaosy no tena lasibatra amin’izany ary ny mahagaga dia ireo vehivavy tahaka azy ireo ihany no asiany. Misy ireo misintona poketra avy hatrany, mangarona ny paosy ary eo ny manambana amin’ny antsy rehefa tena maizina iny. Misy ireo tsy mahatsikaritra mihitsy ny fisehoan’ny halatra. Ireo tratra mivantana kosa tsy afaka manao na inona na inona intsony fa manaraka izay baikony fotsiny.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre