Misotro rano maloto
Maloto ny rano mivoaka eny amin’ny paompin’ny JIRAMA ary miloko mavomavo na menamena be. Nilaza ny minisitry ny Rano, Ndahimananjara Johannita, fa azo sotroina tsara ny rano ary tsy mankarary satria efa misy fitiliana sy fanaraha-maso manara-penitra amin’ny laboratoara. Mety marina izany saingy kosa hita fa tena maloto ny rano avoakan’ny paompin’ny JIRAMA. Raha atao anaty tavoahangy ka avela hijanona eo mandritra ny ora vitsy dia hita mitsika eny ambany ny vovoka mavomavo mampiseho fa misy tany mifangaro amin’ny rano. Izany hoe rano misy vovoka no sotroina sy hanaovana sakafo. Ny olona anefa mandoa vola ary na tsy mankarary eo noho eo aza izany ranom-bovoka izany dia mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana ho an’ny olona sasany. Fahasalamam-bahoaka no resahina ka tsy azo tsotsorina fotsiny hoe madio ny rano na dia miloko mavomavo aza satria fotoanan’ny orana izao. Anjaran’ny JIRAMA sy ny fitondram-panjakana no mijery izay tsy hampisy ny vovoka any anaty rano sotroin’ny vahoaka.
Ny mpanjifa amin’ny JIRAMA izay tsy ampy 30%-n’ny vahoaka malagasy akory no voakasik’io resaka rano maloto io fa mbola mafy noho izany ny manjo ny ankamaroan’ny mponina izay tsy misotro rano avy amin’ny vovo, sy loharano ary rano mandeha. Tena tsy azo antoka ary mankarary ireny indrindra amin’izao fotoanan’ny oram-be mampiparitaka ny valan’aretina izao. Anisan’ny minisitera tsy nisy nilana azy indrindra ny an’ny Rano hatramin’izay nananganana azy tamin’ny taona 2008 tany ho any ka hatramin’izao. Tsy mba nahavita nametraka foto-drafitr’asa goavana hanomezana rano fisotro madio ho an’ny vahoaka io minisitera io fa saika nionona fotsiny tamin’ny fanaovana paompy notanterahin’ireo fikambanana mpanao asa soa maro. Tsy misotro rano madio ny vahoaka raha tsy ireo fikambanana mpanao asa soa no mikaroka famatsiam-bola sy manatanteraka tetikasa. Ny Fanjakana sy ny minisiteran’ny Rano kosa anefa tsy hita izay tena ataony ankoatra ny fikarakarana atrikasa sy antontan-taratasy.
Manana loharano marobe azo trandrahina ho an’ny mponina sy ho an’ny asa famokarana i Madagasikara saingy tsy rototra amin’ny fikarakarana izany ny minisiteran’ny Rano. Matoa mahavita manangana foto-drafitr’asa fanondrahana tanimboly midadasika ny Fanjakana dia avy amin’ny minisitera hafa no nahatontosana izany. Efa hatramin’ny taona 2008 no nangataka famatsiam-bola ireo mpisehatra eo amin’ny fampidiran-drano madio ary efa neken’ny Fanjakana izany. Efa nisy mihitsy tamin’ny andron’ny tetezamita ny fankatoavana fa havoaka ny vola ametrahana foto-drafitr’asa fampidirana rano fisotro madio saingy zara raha nisy ny vola tena nivoaka hoy ireo mpisehatra amin’ny resaka rano fisotro madio. Tsy rototra ary tsy miady ho amin’ny fanomezana rano ho an’ny vahoaka ny minisiteran’ny Rano ary tsy hita izay tena vokatra afaka omeny.
Raha misy ny fanovana governemanta dia anisan’ny tokony ho foanana ny minisiteran’ny Rano raha toa ka tsy manana paik’ady mazava sy tsara rafitra azo tanterahina avy hatrany mba hanomezana rano fisotro madio ao anatin’ny fotoana haingana ny vahoaka manerana ny Nosy ny Fanjakana. Io minisiteran’ny Rano io mantsy dia karazan’ny noforonina fotsiny mba hanomezana toerana ireo mpanao politika mpivadika palitao ka lasa miaraka amin’ny mpitondra. Andaniam-bolam-bahoaka anefa ireny minisitera ireny ka izay tsy haninona tsy haninona dia tsara kokoa ny fanafoanana azy ary akambana amin’ny minisitera hafa ireo sampan-draharaha ao aminy. Taiza teto ambonin’ny tany no mbola nisy hoe rano misy vovoka mivoaka amin’ny paompy, dia mbola lazaina ihany fa azo sotroina tsara, raha tsy teto Madagasikara? Fanontaniana mipetraka ny hoe firy amin’ireo mpitondra Fanjakana ambony no sahy hisotro imasom-bahoaka ny rano nalaina tamin’ny tavoahangy ka navela hitsika ary hita fa tena misy vovoka? Aza manao vain-drahalahy tsy mba maharary!
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







