Vous êtes ici :

Dimanche 11 Janvier 2026

ombre

Tsy fandriampahalemana – Dahalo miisa 60 nanafika tananan’i Manandrina

Nirefodrefotra ny basy tany amin’ny distrikan’i Manandrina, omaly, tamin’ny 11 ora atoandro. Dahalo miisa 60 nilanja fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika tanana roa : tao Ambohimilanja sy Soatanana. Nisy ireo vaky nandositra vao nahita ny fiavian’ireo olon-dratsy izay nanao tifitra variraraka raha niditra ny tanàna fa nisy kosa ireo izay tsy nanaiky lembenana fa niezaka nanohitra azy ireo. Fa tsy mitovy  ny  hery dia niala maina ireo fokonolona ary nisy mihitsy ireo namoy ny ainy fa mbola tsy fantatra ny isany.

Lasan’ireo dahalo avokoa ny omby rehetra tao amin’ireo tanàna roa ireo sy ny fananan’ireo fokonolona, izay azony nangalarina, araka ny loharanom-baovao. Tsy niraviravy tanana kosa ireo zandary tany an-toerana fa avy hatrany dia nanenjika ireo olon-dratsy tamin’ny kodiaran-droa rehefa nampandrenesina.

Fantatra fa mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Manandrina. Tsy misy andro iray izay tsy nahenoana fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo dahalo, izay mandroba ny fananan’ireo mponina ary tsy vitan’izany ihany fa mbola mamono koa izy ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre