Vous êtes ici :

Dimanche 11 Janvier 2026

ombre

Sava-Diana – Dibo-drano ny tanàna

Misahotaka ny vahoaka any amin’ny tapany avaratra ny Nosy iny amin’izao fotoana izao, vokatry ny oram-be misesisesy. Avy any amin’ny Faritra Sava hatrany Diana dia voakasik’izany avokoa. Raha tsy hilaza fotsiny ny tananan’i Marokobay, kaominina Ankiakabe Avaratra, distrikan’Andapa, izay tena dibo-drano tanteraka amin’izao fotoana izao. Nirotsaka mafy ny orana ny alin’ny 13 janoary, nanomboka tamin’ny 6 ora hariva ary tsy nijanona mihitsy raha tsy tamin’ny 8 ora alina tany ho any. Tao anatin’izay ora roa izay anefa dia efa tondraka ny rano ny tanàna iray manontolo vokatry ny fiakaran’ny renirano Beanantsaladina, izay mamakivaky ny tanànan’i Marokobay. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa sahirana ireo vahoaka any an-toerana, indrindra amin’ny fikarakarana ny voka-bary, izay efa ao anaty sompitra nefa dibo-drano.

Torak’izany ihany koa no niseho tany an-tampon-tanànan’Antsiranana. Avy  be ny orana tany an-toerana, omaly maraina, ka feno rano ny tanàna. Raha mitohy foana ny oram-be dia atahorana ho dibo-drano ireo ny tanàna amin’ny faritra iva sy ny lalana mihazo an’Ambilobe iny, hoy ireo mponina any an-toerana. Voakasika izany eny amin’ny Maxime Scama, Radio-paritra, Notre dame fa ny tena atahorana hitondra faisana amin’ity oram-be tsy ankiato ity ny fokontany “Cité ouvrier” sy Mahatsara.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre