Mahajanga – Rangahy voasambotra nisoloky « mercure rose »
Sarona ihany ny lehilahy iray 50 taona, mpisoloky ao an-tampon-tananan’i Mahajanga. Omaly no nosamborin’ny zandary misahana ny raharaha fisolokiana. Milaza fa manana « Mercure rose » ity ranamana ity ary olona maro no efa nahazoany vola an-tapitrisa. Mody mitondra santionan’izany “mercure” izany rehefa manao fotoana amin’ireo lasibatra, izay ataony tsara fonosana sady lazainy fa tsy azo sokafana fa hoe misy taratra na « radion ». Rehefa manokatra izany anefa ireo voasoloky nony tonga any an-trano dia hay tapaka vy mavesatra sy fasika no ao anatin’ilay tavoahangy.
Maro ny fitarainana voarain’ny mpitandro filaminana ary natao ny fikarohana azy io ka omaly no tratra. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao taminy fa avy any amin’ny kaominina Sarobaratra, ao Tsaratanàna no fiaviany, ary efa maro ihany koa no olona voany tany an-toerana. Atolotra ny fampanoavana ato ho ato ny raharaha.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







