Fakana an-keriny – Maty notifirin’ny polisy i Boto Fredo
Rehefa nokarohana ela dia tratra ihany i Boto Fredo, izay ikoizana amin’ny raharaha fakana an-keriny. Voalaza ihany fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie koa ity lehilahy ity ary namoahan’ny Fitsarana didy fisamborana. Ny alarobia 13 janoary lasa teo dia nahazo vaovao ny polisy any an-toerana fa mihaodihaody ao amin’ny fokontany Tanambao V, any Toamasina i Boto Fredo. Tsy niandry ela fa natao avy hatrany ny hetsika hisamborana azy, tokony tamin’ny 8 ora alina tany ho any. Tsikaritra ny mpitandro filaminana izy rehefa avy eo tany amin’ny lalana mihazo ny sekoly Camp ka vaky nandositra. Nampitandrina azy amin’ny tifi-danitra ny polisy saingy tsy nety nijanona izy, araka ny vaovao voaray. Naharitra ora roa ny fikarohana azy, ny toerana raha teo maizina ka nanano sarotra an’ ireo polisy ny fitadiavana azy. Tokony tamin’ny 10 ora alina anefa dia tratra ihany izy ary notifirin’ny polisy avy hatrany.
Tsy hijanona eto fa hitohy ny haza lambo atao amin’ireo olona voarohirohy na lavitra na akaiky tamin’ny raharaha Arnaud sy Annie. Ny talem-paritry ny Polisim-pirenena any Toamasina rahateo, Jeneraly Lié, efa nanambara fa “tsy hitsitsy mihitsy ny Polisy amin’ireo olon-dratsy”.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







