Androhibe – Lehilahy lehibe tratra nangalatra anana
Mafy ny fiainana. Lehilahy 50 taona any ho any, antsoina hoe Ralay no tratra ambody omby nangalatra anana, teny Ambatomitsangana Androhibe, omaly vao mangiran-dratsy, tamin’ny 3 ora maraina. Ela nitoratorahana fa tratra ihany ity farany, izay efa nampitaraina ireo mpamboly. Isan’andro mantsy misy mangalatra foana ny anana eny an-jaridainan’ireo mponina. Teo am-pitangosana ireo salady izy no saron’ilay mpamboly. Nosamborina ary niantso ny manodidina ilay mpamboly hiambina ity mpangalatra fa izy kosa lasa nampandre ny mpitandro filaminana. Na dia teo aza ny atezeran’ny vahoaka dia tsy nikasi-tanana azy mihitsy izy ireo fa niandry ny fahatongavan’ny polisy hisambotra azy. Fa mandra-pahatongan’ireo mpitandro filaminana dia niezaka nanadihady ity rangahy lehibe ireo fokonolona fa tsy nety nilaza ny antony nanaovan’izao asa ratsy izao sady tsy nety nanoro ny namany. Tsy izy irery ihany mantsy fa misy namana izy mandripaka ireo anana. Fantatra ihany koa fa olona monina eny an-toerana ihany ity tratra nangalatra ity. Nidina teny an-toerana ny polisy nisambotra azy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







