Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Ambositra – Telo mianaka maty nilatsaham-potaka

Nitrangana loza vokatry ny filatsahan’ny varatra tao an-tampon-tanànan’Ambositra, ny talata tolakandro teo, tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany no nitrangan’izany. Nirefodrefotra ny varatra ary nilatsaka tamin’ny trano iray tao amin’ny fokontany Ambohimanjaka. Vokany, olona telo mianaka no indray maty. Avy niava vary izy ireo ary nahandro sakafo avy hatrany nony tonga tao an-trano ka nandritra  izay fotoana izay no nirefotra ny varatra. Maty tsy tra-drano avy hatrany ny olona roa raha toa ka naratra ny ankizivavy kely. Nentina haingana nihazo ny tobim-pahasalamana ity farany mba hahazo fitsaboana saingy tsy tana intsony ny ainy.

Tamin’io fotoana io ihany saingy tao amin’ny fokontany iray hafa, mbola tao Ambositra ihany, zaza roa samy nilalao teo an-tokontany no indray nipoahan’ny varatra. Naratra mafy izy roa ary efa nahazo fitsaboana teny amin’ny tobim-pahasalamana any an-toerana. Voalaza fa tsy misy atahorana ny ain’izy roa amin’izao fotoana izao.
Tsy dia mpitranga ao an-tampon-tanànan’Ambositra ny filatsaham-potaka nahafatesan’olona toy izao. Mpitranga any amin’ireo fokontany sy faritra manodidina kosa anefa izany.

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre