Mihozongozona ny sezany !
Tsy maintsy hiova io governemanta io na tiana na tsy tiana. Mazava be izao fa misy ireo minisitra akaiky ny Filoham-pirenena no te ho loholona. Izany hoe hiala ao anaty governemanta izy ireo raha voatendry ho senatera eo. Lojika be izany satria mila manamafy ny toerany eo anivon’ny Antenimieran-doholona ny Filoham-pirenena ka tsy maintsy mametraka izay olona tena atokisany hifehy ny zava-misy ao. Hatreto aloha dia minisitra eo anivon’ny governemanta avokoa ny ankamaroan’ireo olona tena akaiky ny Filoha sady hany koa mpikambana ambony eo anivon’ny antoko Hvm. Misy herijika be ho voatendry Loholona izy ireny.
Ho banga noho izany ny toeran’ny minisitra sasany eo anivon’ny governemanta ka tsy maintsy hanendry izay ho solony ny fitondram-panjakana. Raha ny zava-misy hatreto dia samy mahatsapa ny rehetra, tsy ny antoko mpanohitra ihany fa ny antokon’ny mpitondra ihany koa, fa mila fanovana ny governemanta noho ny antony maro. Fotoana izao ahafahan’ny Filoha manao izany, ary toy ny tamin’ny taon-dasa dia ny 25 janoary no fanovana governemanta fanaon’izao fitondrana izao. Mazava ho azy fa tsy maintsy ho voailika ireo minisitra hafa heverina fa tsy dia nahavita firy tamin’ny fanohanana ny fitondram-panjakana tao anatin’izay herintaona niasan’ny governemana Ravelonarivo izay. Nisy dia nisy tokoa mantsy minisitera tena nalaza ratsy tamin’ny resaka fitokonana sy fitakiana nataon’ny mpiasa tao aminy noho ny tsy fahaiza-mitantana nataon’ny minisitra sy ny ekipany. Nisy ihany koa minisitera tsy mba nitondra vokatra hita nisongadina teo amin’ny asa fampandrosoana ny firenena. Farany, nisy minisitra tsy namokatra tamin’ny fampandresena ny olon’ny Hvm nandritra ireo fifidianana Ben’ny tanàna sy Loholona.
Fotoana izao ahafahan’ny Filoha maneho amin’ny vahoaka fa tena te hampandroso izy ary tsy miara-miasa amin’ny olona tsy mahomby fa mihinana volam-panjakana fotsiny. Goavana ny asa sy adidy miandry ny fitondram-panjakana amin’ity taona ity satria efa miandry kendry tohana fotsiny ny rehetra amin’izany taom-pijinjana nolazain’ny Filoha tamin’ny kabary faran’ny taona izany. Mila olona tena mahay sy miasa ary mitsinjo sy mahafantatra ny tena fahorian’ny vahoaka fa tsy mpanao tatitra diso ka na hita izao aza fa tsy mandeha amin’izay laoniny ny fiainam-pirenena dia mbola lazaina ihany fa nahafa-po ny vokatra. Fotoanan’ny fisokafana amin’ny hery politika hafa ihany koa izao satria misy amin’ny olon’ny antoko hafa no manam-pahaizana sy traikefa afaka miasa ho fampandrosoana ny firenena. Raha tena mikatsaka fitoniana marina ny fitondram-panjakana dia mila misokatra amin’ny firehan-kevitra hafa fa tsy mionona fotsiny amin’ny olon’ny Hvm. Porofo iray maneho ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa amin’ny hafa ny tranga eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Tsy olon’ny Hvm ny filohan’ny Antenimieram-pirenena nefa mahavita mifehy ireo solombavambahoaka izay tena mahery fihetsika tsy afaka ny nanongana ny governemanta sy ny filoham-pirenena. Toy izany ihany koa no tokony hisy eo anivon’ny Antenimieran-doholona sy ny Governemanta. Mila olona ivelan’ny antokon’ny Filoham-pirenena nefa afaka mijery sy mandinika tsara izay mety ho an’ny firenena. Ny hevitry ny maro mahataka-davitra ary ilaina ny tsikera anatiny ahafahana manatsara izay efa tsara ary manarina izay tsy nety. Ilaina ny fitoniana ara-politika, izay tena zava-dehibe, sady ametrahana asa fampandrosoana am-pilaminana rahateo ny fanomezana sehatra ny mpanohitra mba handray anjara amin’ny tena asa fampandrosoana fa tsy hitabataba sy himenomenona hiteraka disadisa sy fanakorontanana fotsiny. Raha omena andraikitra ny olon’ny antoko mpanohitra dia inoana fa hihena ny ady lahy politika eto satria hitodika kokoa amin’ny fifaninanana hampandroso ny minisitera tantaniny avy ny ady hevitra fa tsy hisy hanam-potoana hidina an-dalambe sy hanao hetsika fitokonana etsy sy eroa.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







