Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Boriborintany fahatelo – Mpanao sinto-mahery efa ho zato naiditra am-ponja

Mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny boriborintany fahatelo iny. Ho an’ny taona 2015 dia mpanao sinto-mahery sy mpangaro-paosy miisa 97 no nidoboka eny Antanimora, hoy i Razafindrazaka Hector, kaomiseran’ny polisy eny amin’iny boriborintany fahatelo, nandritra ny valan-dresaka nataony tamin’ny mpanao gazety omaly, teny Antaninandro. Voafehy amin’ny ankapobeny nefa tsy tena voafehy tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana eny an-toerana. Ny tena olana, araka ny filazany hatrany dia ny tsy fahampian’ny mpitandro filaminana nefa betsaka ny faritra fehezina.

Fokontany miisa 43 no sahanin’izy ireo, izay manomboka eny Ambatomaro ka hatrany Antanimena. « Mangataka fiaraha-miasa amin’ny vahoaka, noho izany, izahay fa tsy mora ny andraikitra sahanina. Raha vao mahita trangan-javatra mampiahiahy dia aoka hampilaza avy hatrany ny polisy akaiky azy », hoy i kaomisera Razafindrazaka Hector.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre