Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Fahamaizan’ny Jirama Fianarantsoa – Efa misokatra ny fanadihadiana

May omaly maraina ny orinasa Jiro sy rano malagasy, ao Tsianolondroa, any Fianarantsoa. Hain-trano roa sosona no niseho, ny iray tokony tamin’ny 3 ora maraina no nitranga tao amin’ny birao, fa ny faharoa kosa adina roa taty aoriana, tokony tamin’ny 5 ora tany ho any, tao amin’ny trano fanatobiana entana. Vokany, kila forehitra avokoa ny antontan-taratasy sy ireo fitaovam-piasana. Nidina teny an-toerana ny mpamonjy voina nifehy ny afo. Ny nahagaga anefa tsy misy « bouche d’incendie » akory eny amin’izany orinasa izany sy ny manodidina azy. Tsy fantatra kosa ny nahatonga ny fahamaizina hatreto.

Ahiana ho hain-trano niniana natao ity niseho ity. Araka ny tsiloan-tsofiny re, nisy fanaraha-maso natao mahakasika ny asan’ireo mpiasa tao amin’io birao io vao tsy ela izay ka atahorana ho izay no nitarika ny fandoroana mba tsy ahitana ny nafenina, rehefa kila may mantsy ny taratasy rehetra manaporofo ny tsy mety natao dia tsy hisy ny fanenjehana fa tsy fantatra ny fahamarinana izay. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana.

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre