Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Maroantsetra – Nisy nanafika ny botika Orange

Araka ny vaovao voaray avy any Maroantsetra dia nisy nanafika ny botika Orange any an-toerana, ny alin’ny alarobia lasa teo. Andian-jiolahy tsy fantatra isa no niditra an-tsokosoko tao amin’izany toerana izany. Tsy fantatra ny fotoana nidiran’ireo olon-dratsy tao fa fantatra kosa fa avy teny amin’ny fanitso no niditra ry zareo. Efa ireo mpiasa handeha hiasa vao maraina no nahatsikaritra ny fahavakisana. Taitra izy ireo raha nahita ilay trano nikorontana ambony ambany. Nampandre ny polisy avy hatrany ireo mpiasa hanao ny fizahana ary tamin’izany no nahitana fa nesorin’ireo jiolahy ny fanitso mba hidiran’izy ireo.

Lasa tamin’izany ny « tablette », ny « box internet », ny « modem » izay mbola tsy fantatra ny isa ary finday miisa 63. Efa mandeha ny fikarohana ireo mpanao ratsy. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny mponina ihany koa ny mpitandro filaminana mba ho mailo hatrany ary hampandre azy ireo avy hatrany raha mahita olona mivarotra ireo vokatra « orange » ireo.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre