Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Sambava – Bevohoka tratra nangalatra akoho

Tovovavy iray bevohoka 8 volana no tratra nangalatra akoho aman-borona, tany Ambatofitatra, distrikan’i Sambava, ny alakamisy lasa teo, tamin’ny 4 ora hariva. Efa fomba ratsy fanaony ny manao hala-botry fa izao vao tratra. Akoho mitarika anaka no sarona teny aminy farany, izay saika amidiny 60 000 ariary, ary vilany nimerao 26. Efa maro ireo olona very zavatra any an-toerana ka mailo avy hatrany ilay olona nokasainy hamidianana ireo entana ireo, ny marainan’ny alakamisy io ka nasainy niverina ny hariva ilay mpangalatra fa hoe tsy mbola manam-bola izy. Nampandre ireo mponina avy hatrany anefa ilay olona ka noraisim-potsiny izy avy eo rehefa niverina ny hariva. Nasesin’ny fokonolona teny amin’ny biraon’ny fokontany ity vehivavy ity ary maro ireo olona nijoro vavolombelona  fa efa nivarotany akoho aman-borona ary maro ihany koa ireo olona nitaraina very izany. Niaiky ny heloka vitany ilay bevohoka ary niangavy mafy mba tsy andefasana azy any am-ponja fa efa manakaiky loatra ny andro hahaterahany, araka ny loharanom-baovao. Tsy vitan’izany fa mody nanao marary ohatr’ireny nihetsi-jaza ireny izy, hany ka, raha vao nahita izany ny rehetra dia samy niteny hoe « alefaso mody haingana any io ry prezida fa sao teraka ato anaty birao ato. »

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre