Vahoaka mivarilavo!
Raikitra tokoa ny fanakanana fiara nataon’ny mpitandro filaminana mba andrefesana ny tahan’ny alikaola nosotroin’ny mpamily sy ho fisorohana ny loza. Ny alin’ny zoma lasa teo dia maromaro ihany ireo fiara tsy nahazo nihetsika satria voaporofo fa tena mamo ny mpamily. Tsy naharitra anefa ny fahombiazan’ny hetsika satria ny sabotsy tamin’ny 7 ora hariva dia efa nisy lozam-pifamoivoizana vokatry ny hamamoana sahady tany amin’ny By pass. Fiara Peugeot 306 iray no nifatratra tany amin’ny fiara Renault 21 izay naka sisiny ary tsy nanam-po na inona na inona. Voalazan’ny nanatri-maso fa avy nirevy ilay nitondra 306 ary efa mamo be ka nifaoka ilay fiara nijanona tsara teo amin’ny sisin-dalana. Mazava ho azy fa tsy nifanehitra tamin’ireo mpitandro filaminana nokaramaina hitsirika ny tahan’ny hamamoana ilay mpamily 306 matoa tsy voasakana sy tsy najanona.
Ankoatra ny fanozonana ilay mpamily nahavanon-doza dia nitodika tany amin’ny mpitandro filaminana ny fanakianan’ny hevi-bahoaka. Nahoraka loatra mantsy ilay hetsika ady amin’ny mpamily mamo nefa tsy hita izay tena vokatra fa vao mainka aza nisy io loza io. Rehefa tena jerena amin’ny saina tsy miangatra anefa dia tsy an’ny mpitandro filaminana loatra ny hadisoana fa an’ny mamolava. Tsy ny polisy sy ny zandary velively no nampisotro toaka ireo mpamily fa sitra-po sy adalana ary tsy fahaiza-mionona mihitsy ny an’ireny mamo lava ireny. Ny ankamaroan’ny malagasy mihitsy no efa manana toe-tsaina lomorina mivary lavo amin’ny toaka sy zava-pisotro mahamamo. Vao mihetsika kely dia ny hisotro no mahamaika. Tsy misy intsony ankehitriny ny lahy sy vavy, ankizy sy tanora, ary ray aman-dreny fa na iray fianakaviana izao aza dia samy manampatra amin’ny toaka sy labiera rehefa misy fihaonana sy fivorivoriana. Ny tena mahagaga, izay manaja tena tsy misotro indray no heverin’ny sasany fa adala sy tsy mitovy amin’ny hafa. Taloha, ny mpisotro alikaola no sokajiana ho “fakofakon’olona” ary tsy mitovy amin’ny olon-drehetra. Ankehitriny kosa, izay tsy misotro na goty iray aza no sokajiana ho “mitapy”.
Efa niova ny toe-tsaina ary tena mivarilavo araka ny efa nambara ny ankamaroan’ny isam-pianakaviana. “Vitan’ny hoe mba fety ny andro dia nandray kely fa tsy isan’andro kosa aloha no misotro e!” Rehefa misotro alikaola dia mitovy daholo na isan’andro na indray mandeha isan-taona. Ny mpihatsaravelatsihy no betsaka fa kopaka iraisana avokoa izy rehetra. Mitovy ihany ny revy sy ny ditra saingy ny revy dia voambolana entin’ny mpihatsaravelatsihy hanaronana ny adalany fa ny ditra kosa dia fanasokajiana ireo efa maty fanahy ka tsy menatra amin’ny adalany intsony.
Ho sasa-poana ny mpitandro filaminana raha toa ka handany ny alina hitsirihana ireo mpamily nandray alikaola. Ny toerana fivarotan-toaka sy labiera no mila akatona amin’ny ora efa voafaritry ny lalàna dia mihena ny mamolava mitondra fiara amin’ny alina. Mila ferena, ihany koa, ny fivezivezena amin’ny alina satria maro loatra ny marivo salosana tsy mahafehy tena, nefa miriaria eny an-dalana rehetra eny amin’ny misasak’alina. Tsy mahagaga raha mitombo ny tsy fandriampahalemana satria ny samy ratsy no mifanehitra ka miafara hatrany amin’ny fanendahana sy ny fifamonoana. Nilaza ny filoha tamin’ny faran’ny herinandro teo, nandrindra ny famoahana polisy nahavita fiofanana, fa zava-dehibe ny fampiharana ny tany tan-dalàna. Mijanona fotsiny amin’ny fanakanana hetsi-bahoaka mba tsy haneho hevitra nefa io tany tan-dalàna io fa tsy mijery ifotony mihitsy ny tsy mety rehetra eny anivon’ny fiaraha-monina. Efa mivary lavo rahateo ny vahoaka ka sarotra ny hamerina indray ny fanarahan-dalàna. Ny mpitondra rahateo efa lasa modely ratsy satria manosihosy izay lalàna tsy mety aminy. Fitrenena mivary lavo. Tsy mahagaga raha tsy mandroso!
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







