Fikambanan’ny silamo malagasy – Famindram-pahefana
Tontosa ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny sekoly silamo, teny amin’ny 67 ha Atsimo, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny mpanolotsainan’ny filan-kevi-pitantanana vaovao sy taloha an’ny fikambanana silamo malagasy manerana ny Nosy, teo amin’ny Hassim Mohamed sy Aly Saïd Nasser. Iry voalohany izay voatendry hitarika izany ao anatin’ny 4 taona ho avy ary efa voasoritra avokoa ny fandaharan’asa ao anatin’izay taona vitsivitsy hitantanany izay. Tafiditra ao anatin’izany ny fitadiavana làlana vaovao izay atao hampiroboroana ny sehatra ny finoana sy ny fiaraha-monina eto Madagasikara. Amin’ity herinandro ity izao dia hisy ny fitsidihana ireo andrim-panjakana misy eto Madagasikara ho fampahafantarana ity mpanolotsain’ny filan-kevi-pitantanana ity, izay atomboka amin’ny fiadidiana ny Repoblika, primatora, ny parlemanta ary tsy adino ireo fiangonana rahavavy.
Hanamafy ny fiaraha-miasa
Hitohy any ivelany ny fitsidihana ary ezahina ho vitaina ato anatin’ity enim-bolana voalohany ity mba hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Araka ny fanambaran’ny tompon’andraikitra ny raharaham-bahiny sady mpitondra tenin’ny fikambanana, Hamidou Ali dia manana fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny fikambanana iraisam-pirenena manerana izao tontolo izao, ka anisan’izany « odre islamique open society » any Libye, ny « Ligue islamique mondiale » any Arabie Saoudite ary ny « Banque islamique de developpement ». Fiaraha-miasa izay mifantoka tanteraka amin’ny fampianarana sy fanorenana foto-drafitr’asa. Fikambanana silamo, izay manana foto-drafitr’asa lehibe indrindra eto Madagasikara ary fikambanana zokiny indridra ihany koa izay niforona tamin’ny 1974.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







