Hasarotam-piaro – Novonoiny ny vadiny, avy eo izy namono tena
Hasarotam-piaro diso toerana. Novonoin’ilay rangahy ny vadiny ary namono tena koa izy avy eo. Tany amin’ny fokontany Lohatranambo, kaominina Ambohigogo, distrikan’i Farafangana no nitragan’izany vono olona izany, ny sabotsy lasa teo. Tratran’ny rangahy iray nampirafy ny vadiny, araka ny loharanom-baovao. Rehefa nifamaly ela teo rizareo, tsy naharitra ilay lehilahy ka avy hatrany dia naka famaky ary notetehany tamin’izany ramatoa vadiny.
Ary rehefa maty ilay vehivavy dia namono tena koa izy. Notsindromin’ny antsy teny amin’ny faritry ny kibony ary nitarika ny fahafatesany. Tahotra ny iharan’ny fitsaram-bahoaka sa ny higadra ? Fa naleon’ilay rangahy koa maty tahaka ny vadiny. Olona sendra nandalo teo amin’ny tranon’izy ireo no nahatsikaritra ny vata-mangatsiakan’izy roa nitsarara teo am-povoan-trano ka nampiantso ny manodidina.
Araka ny fanampim-baovao dia nisehoana fanafihan-jiolahy tao amin’izy mivady, taona lasa vitsy izay ka voatifitra nandritra izany ny filahian-drangahy. Vokany, voatery notapahina izany ary rehefa taty aoriana dia tsy nahazaka ilay ramatoa ka lasa nampirafy ka izao tratra izao ary nitarika ny fahafatesany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







