Itaosy – Zazavavy kely main’ny rano mangotraka
Vao manomboka ny taona dia fahoriana ny nahazo ny mpivady kely, izay monina eny Itaosy. Zanak’izy ireo vavy kely vao 8 volana sy tapany, izay vao mianatra mandady no main’ny rano mangotraka, ny alakamisy 14 janoary lasa teo. Nandeha niasa ny reniny tamin’io fotoana io fa ny rainy kosa izay nahazo alalana tsy hiasa dia mba nandeha niantsena hividy sakafo ho atokona ny atoandro ka namela ilay zaza tamin’ny mpanampy. Inona anefa no nitranga ? Nanampy saribao tamin’ny fatapera ilay mpanampy ka napetrany tamin’ny tany ny vilany nisy rano mangotraka izay hikarakarana akoho. Lasa izy avy eo nanasa tanana ka tavela irery teo an-tokontany teo ilay zaza. Ary raha mbola variana nanasa tanana iny anefa iry voalohany dia ity farany kosa lasa nandady nankeny amin’ilay vilany izay mbola tavela teo amin’ny tany ary nosarangotiny ny tahon’ilay vilany ka nitobaka taminy avokoa ny rano mangotraka. Vokany, may avokoa ny vatan’ilay zaza iray manontolo, hatramin’ny tanana roa, ny tongony roa, ny fitombenany, ny lamosiny ary ny tarehiny izay tsy nisy noraisina intsony. Mbola tsy fantatra kosa izay hahazo ilay mpanampy fa nilaza tsy hipetra-potsiny ny ray aman-drenin’ilay zazakely.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







