Rn4 – Jiolahy roa matin’ny fitsaram-bahoaka
Niakatra ny hatezeram-bahoaka tany amin’ny tanàna kely izay 15 kilometatra tsy hidirana an’Ambondromamy. Jiolahy roa no tra-tehaky ny olona ny sabotsy alina lasa teo, ary tsy namelan’izy ireo mihitsy raha tsy nanaraka hatramin’ny ainy. Teo am-pandravana zandary mpanao fisafoana izy ireo no saron’ny fokonolona. Haka ny basin’ireo mpitandro filaminana no tanjon’ireo olon-dratsy ireo ary efa saika matin’izy ireo mihitsy ireto voalohany raha tsy tratran’ny fokonolona ara-potoana izany, araka ny loharanom-baovao.
Notaritaritin’ireo mponina niditra ny tanàna, noho izany, ireo jiolahy ary namely azy ireo avokoa izay te-hamely. Samy nanala ny fony tokoa ireo vahoaka izay efa leon’ny asa ratsin’izy ireo. Araka ny vaovao voaray hatrany, manjaka ny halatra omby any an-toerana amin’ny afitsok’ireo jiolahy ireo, hany ka, vao nahatratra ireo fokonolona dia tsy namela mihitsy raha tsy maty. Raha ity fizotran’ity raharaha ity no arahina dia tsikaritra fa tsy mahatahotra velively ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy. Iry voalohany ihany koa tsy mahatosika ireo farany. Raha tsy nisy mantsy ny fanampian’ireo mponina dia namoy ny ainy ireo zandary natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







