Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Rava ny tsena !

Tsy milefitra ary tsy azo atao na inona na inona ny mpitantana an’Antananrivo renivohitra amin’ny fanesorana ireo mpivarora tsy manara-dalàna mameno sy manembatsembana ny arabe eo Analakely sy ny manodidina. Very fihinanana ireo vahoaka sahirana mitady vola eny an-dalana ireo satria rava ara-bakiteny ny tsena. Tsy afaka mivarotra intsony, izany hoe tsy misy fidiram-bola antenaina hivelomana sy hamelomana ny ankohonana. Resa-be ity fanalana mpivarotra ity ary mizarazara be ihany ny hevitry ny vahoaka. Ho an’ireo tsy mponina eto an-drenivohitra no sady ihany koa tsy tia ny ben’ny tanàna dia mampiaka-peo fa tsy rariny ny atao ireo mpivarotra. Ireo mpomba ny ben’ny tanàna kosa dia mankasitraka tanteraka ny fanadiovana an’Iarivo izay efa tena lasa henatra eo imason’ny vahoaka malagasy sy izao tontolo izao noho ny gaboraraka sy ny loto.

Toa lasa resaka tora-po ara-politika fotsiny sisa ny fomba fijerin’ny vahoaka ny asa fampandrosoana eto amintsika satria rehefa tiana ny mpitantana dia toa mety avokoa izay rehetra ataony. Rehefa tsy ankasitrahana ny mpitondra dia ratsy avokoa ny fanapahan-kevitra raisiny.

Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra anefa dia mila fampanarahan-dalàna faran’izay henjana eto Madagasikara mba amerenana ny hasin’ny firenena amin’ny laoniny. Tsy misy olona ambonin’ny lalàna rahateo ka tsy maintsy manaja sy manaraka izany avokoa. Avy any ambony anefa no fakan-tahaka ka ry zareo mpitondra amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra no tokony hampiseho mialoha ny fanarahan-dalàna mba arahin’ny vahoaka madinika. Iaraha-mahita mantsy fa na tsy azo tenenina mazava aza, satria mety hampigadra, dia maro ireo olona ambony eto amin’ny firenena no tsy manara-dalàna ary izy ireny indrindra no tena manosihosy ny fanatanterahana ny antsoina hoe tany tan-dalàna. Firifiry ny trangana kolikoly sy fanodikodinana fananam-panjakana mitranga eny anivon’ireny minisitera sy sampan-draharaha samihafa ireny saingy odian’ny mpitondra Fanjakana tsy fantatra fotsiny. Tsy hisy sahy hitoroka sy hanonona anaran’olona rahateo satria tonga dia ny fonjan’Antanimora sy Tsiafahy no miandry izay sahy milaza ny marina. Tsy hita pesipesenina ny volam-panjakana voahodinkodina noho ny resaka kolikoly sy ny fitiavan-tena diso tafahoatra ataon’ny manam-pahefana ka izay no tsy mampandroso ity firenena ity. Vola tokony ampiasaina amin’ny asa fampandrosoana ny firenena sy ny fiainam-bahoaka nefa lasa any am-paosin’ireo olona ambony sy ny manodidina azy ireny. Avy eo anefa ny Fanjakana milaza ho tsy manam-bola hanatanterahana tetikasa. Ny tatitry ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) dia milaza mazava fa miha mahazo vahana ny kolikoly ary ny sampan-draharaham-panjakana heverina ho tompon’andraikitra amin’ny fampanajàna ny lalàna no tena manao izany.  Tsy misy azo atao azy ireny anefa satria any aminy ny hery sy ny fahefana amotehana izay sahy mitoroka azy. Tsy mahagaga raha maneho fikomiana tsy mety manaraka ny lamina apetraka ny vahoaka madinika satria hitany fa ny mpibaiko aza tsy manara-dalàna. Dia ilay renivohitra  noheverina ho fitaratra sy rehareha eo imason’izao tontolo izao no simba noho ny tady mihenjan-droa vokatry ny tsy fankatoavana ny fampiharana ny lalàna. Rava ny tsena eny Analakely saingy misy hatrany ny fifandonana eo amin’ny mpivarotra sy ny mpiasan’ny kaominina. Mody fanina ny mpitondra Fanjakana foibe manoloana izany ary toa satrin’izy ireo aza hifandritaka ny eto an-drenivohitra izay tsy mba nifidy ny kandidan’ny mpitondra fa nisafidy ny mpanohitra. Adinon’ireo minisitra isan-tsokajiny fa tsy ny tsenan’ny mpivarotra irery no ho rava tanteraka fa ny governemanta mijoro ankehitriny ihany koa. Mitodika any amin’ny fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Ireo minisitra akaiky ny filoha dia hizara roa ka ny sasany ho tendrena senatera ary ny ambiny hiverina ao anaty governemanta vaovao. Ireo minisitra hafa kosa dia ho voailika sy ho very seza. Mila manamboatra saina dieny izao fa ho rava ny tsena e!

 

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre