Asan-dahalo – Omby dimanpolo mahery indray lasa
Mirongatra hatrany ny halatra omby ao anatin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy. Isan’ny lasibatra tamin’ity indray mandeha ity ny tanànan’Ambatofotsy, any amin’ny kaominina Bemahatazana. Dahalo 10 lahy nirongo basy sy lefona ary famaky no fantatra fa tonga nandravarava tao amin’ity tanàna ity.
Araka ny loharanom-baovao voaray dia ny sabotsy 16 janoary, tokony tamin’ny 11 ora alina no nigadona tao an-toerana ireo dahalo. Efa rendrika tamin’ny torimasony avokoa ny fokonolona tamin’io fotoana io ka ny firefodrefotry ny basy no nanaitra azy ireo. Tokantrano maromaro no lasibatra tamin’io fotoana io. Ireto farany izay tsy nisy afa-bela fa lasan’ireo dahalo avokoa ny omby rehetra tao am-bala. Hatrany amin’ny 57 isa ny fitambaran’ny omby voaroba, araka ny loharanom-baovao.
Ora vitsy nandaozan’ireto farany ny tanàna vao samy nivoaka tsikelikely ny fokonolona ary avy hatrany dia nampandre ny mpitandro filaminana izy ireo. Raikitra ny fanarahan-dia nanaraka ny dian’omby nianatsimo ny Bemahatazana. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







