Vous êtes ici :

Mercredi 04 Février 2026

ombre

Fikajiana ny tontolo iainana – Mandray anjara ny orinasa maro

Isan’ireo firenena nandray anjara tamin’ny COP 21 i Madagasikara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Miara-misalahy ny rehetra mba hampihenana ny tahan’ny hafanana ho 2%. Mandray anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny orinasa maro be ka tsy very anjara amin’izany ny Cnaps. Ny herinandro lasa teo ary dia niara-nirohotra tany Ambohidray Miarinarivo ny fianakaviam-ben’ny Tahirim-pirenena notarihin’ny Tale Jeneraly Raoul Arizaka Rabekoto sy ireo mpiara-miasa avy amin’ny tendro sy ny masoivoho manerana ny Nosy. Zana-kazo sapin 4 000 no novolena tao Ambohidray toerana mamatsy rano fisotro madio ny vahoakan’ i Miarinarivo.

Jery lavitra fitsinjovana ny firenena no asa natao dia niara-nisalahy tamin’ny Cnaps ireo hery velona rehetra taty Itasy nahitana ny “Préfet de région” sy ireo mpiara-miasa aminy, ny lehiben’ny faritra sady filohan’ny ligin’Itasy, ny ben’ny tanànan’ i Miarinarivo, ny Dren sy ireo talem-paritra isan-tsokajiny avy amin’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy.

Fa ankoatry ny fambolen-kazo dia asa imasoan’ny Cnaps ny Fiahiana ara-tsosialy. Notoloran’ny Tahirim-pirenena fanampiana ireo olona sahirana ara-pivelomana avy amin’ny fokontany 05 ato anatin’ny Kaominina Miarinarivo. Miisa 300 ireo fianakaviana nozaraina vary, menaka, savony ary kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre