Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Fivadiham-pitokisana – Ilay niantrana ihany no nanafika

Lehilahy iray niantrana no sahy nanafika ny fianakaviana nahavita soa taminy, tany an-tampon-tanànan’i Mahitsy. Nitaraina izy ity fa manana olana  ary mila vola be ka nampindramina vola araka izay nilainy, an-tapitrisa maromaro, araka ny loharanom-baovao. Marihina fa olo-pantatr’izy ireo ity lehilahy ity. Taty aoriana anefa, nikasa hanafika tao amin’ilay fianakaviana izy sy ny namany miisa 3. Nopoirin’ireo jiolahy ny varavarana. Efa tafiditra soamantsara tao izy ireo no henon’ny tao an-trano. Nisy ny fifanjevona ary tamin’izay no nahalalana fa ilay olona nampindramina vola ihany ity nahavita namadika ity. Tsy nisy zavatra lasa fa tafaporitsaka avokoa izy ireo. Nametraka fitarainana teny amin’ny mpitandro filaminana avy hatrany ny lasibatra. Tamin’izany no nahafantarana fa voasoloky izy mianakavy fa tsy manana olana izany akory ilay lehilahy fa tetika hakana vola fotsiny. Efa betsaka ny fitarainana voarain’ny manam-pahefana mahakasika io mpisoloky io. Maro ireo olona tao Mahitsy no efa nanaovany hevi-petsy izay nakany vola be avokoa. Araka ny loharanom-baovao hatrany, fomba fisolokian’ny olona ao an-toerana amin’izao fotoana izao ny findramana vola be amin’ireo olona akaiky. Mody manana na mahita volamena na vato sarobidy izy ireo mba ahafahana mambabo ireo lasibatra. Misokatra ny fanadihadiana sy ny fitadiavana ireo olon-dratsy.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre