Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Rn7 – Lehilahy mamo maty voahitsaky ny kamiao

Olona iray  indray no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana, tany amin’ny lalam-pirenena Rn7. Ny alin’ny farany herinandro, tokony tamin’ny 9 ora no nisehoan’izany, teo amin’ny tetezana Ambohibao, any Bongatsara. Avy any Ambohibary Sambaina hiakatra aty an-drenivohitra ilay fiara lehibe no niseho ny loza mahatsiravina. Raha mandeha tsara tao anaty tetezana iny ilay kamiao dia niampita tampoka ny lehilahy iray.

Tranga izay tena tsy nampoizin’ilay mpamily mihitsy ka na dia nanitsaka hisatra avy hatrany ary izy dia mbola voahitsaka ihany ilay lehilahy. Vaky loha ity farany ary maty teo no ho eo vokatra ny fandehanan’ny rà be loatra. Nidina teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza ny zandary avy eo nanao ny fizahana ary fantatra tamin’izany fa mamo ity namoy ny ainy ity satria nahenoana fofona alikaola izy. Efa natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiaka.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre