Varotra rongony – Ramatoa lehibe roa voasambotra
Ramatoa lehibe roa, Mamasoa 66 taona sy Sahondra 40 taona, no voasambotry ny polisin’ny boriborintany faharoa, teo am-pivarotana rongony. Tamin’ny fanadihadiana ireo mpifoka rongony tratra manodidina an’Analakely no nahafahana nisambotra azy ireo ny zoma 15 janoary, tamin’ny 4 ora tolakandro, teny Tsaralalana manakaiky ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray eny an-toerana. Efa matetika miverimberina ny anaran’izy ireo ka izao tratra izao. Sarona niaraka tamin’izy ireto ny fonosan-drongony miisa 7. Nentina avy hatrany tao amin’ny biraon’ny polisy izy ireto atao famotorana ary nandritra izany no nilazan’ireo ramatoa lehibe ireo fa efa naharitra 10 taona mahery no nanaovan’izy ireo io asa ratsy io ary efa nigadra teny Antanimora, noho io, rongony io hatrany. Raha i Mamasoa dia in-dimy nigadra raha indray mandeha kosa i Sahondra. Mbola tamin’ny fanadihadiana azy no nilazan’izy ireo fa eny Ivo Antohamadinika no fangalany ireo rongony amidiny. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







