Tafio-drivotra mahery vaika – Mpianatry ny Ceg miisa 8 naratra mafy
Nitrangana loza voajanahary mahery vaika tany amin’ny distrakan’i Manandrina. Mpianatry ny Ceg ao amin’ny kaominina Ambatomarina miisa 8 no naratra ka ny telo tena voa mafy vokatry ny tafio-drovitra nifofofo, ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny 3 ora tolakandro.
Teo am-pakana rivotra teo an-tokontanim-pianarana ireo ankizy no niendaka tampoka ny tafon’ny foto-drafitr’asa iray tao amin’io sekoly io ka nipitika teny amin-drizareo. Nisahotaka ny iray sekoly vao nahita izany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny tompon’andraikitra tao amin’ny sekoly nitondra ireo niharam-boina tany amin’ny hopitaly Ambositra mba hahazo fitsaboana sahaza azy avy. Tsy misy atahorana kosa ny ain’izy ireo.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







