Mba te ho frankofonia !
« Mila vola fa hanambady za, mila sôsy fa maika re….Mba vonjey sôsy hoy aho izaho lery e, izaho koa anie frankofonia! » Efa ela be ary ampolo taonany mihitsy aza io hiran’i Samoela io no nivoaka sy nalaza teto amintsika. Toa mampatsiahy tampoka fa efa an-taonany maro ity resaka frankofonia ity no nataon’ny fitondram-panjakana ampanofisana vahoaka nefa hatramin’izao dia tsy hita akory izay vokatra tena nentiny ho an’ny firenena. Ity resaka frankofonia ity mantsy dia toa lasa nofy ampisehoana imason’izao tontolo izao fa mahavita azy ny malagasy ary tsy mahantra fadiranovana araka ny tatitra re ombieny ombieny. Nofy satria ny zava-misy dia tena mahantra ny malagasy ary tena miaina tanteraka ao anatin’ny antsoina hoe fahasahiranana. Ny fitondram-panjakana anefa mihambo ho manana ny vola rehetra ilaina sy ny fahaizana rehetra takiana amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia eto Madagasikara. Mazava ho azy fa ho an’ireo tompon’andraikitra nanankinana ny fikarakarana no hanan-karena tampoka satria vola be mikararana no ho laniana. Roapolo miliara ariary be izao no voalaza fa ampiasain’ny Fanjakana amin’io fihaonana iraisam-pirenena io nefa mbola misy teknisianina milaza fa tsy ho ampy io vola io. Izany hoe mbola mihoatra noho izany ny vola tsy maintsy ilaina. Raha hividianana vary anefa io vola be tsy toko tsy forohana io ka hamidy mora tsy hakana tombony amin’ny vahoaka dia inoana fa tsy hisy intsony ny tsy fahampian-tsakafo eto amintsika mandra-pahatapitry ny fotoam-pitondran’ny Filoha ankehitriny amin’ny taona 2018.
Manana ny fanazavany ny manam-pahaizana ara-toekarena miandany amin’ny fitondram-panjakana izay milaza fa hitondra tombontsoa maro ho an’i Madagasikara ny fandraisana io fihaonana io nefa mbola kajikajy an-taratasy ihany izany rehetra izany. Ny ahiana aza dia hitohy amin’ny disadisa noho ny volan’olona mampiasaina ka tsy ho voaloa io amin’ny taona 2017. Efa mahazatra eto amintsika rahateo ny tsy fandoavan’ny fanjakana ny volan’ireo mpiantoka entana sy akora nampiasaina rehefa vita ny hetsika lehibe toy itony frankofonia itony. Izany hoe tsy hitondra fampandrosoana velively mialohan’ny fifaranan’ny fitondrana ankehitriny io fihaonana io. Sarotra mantsy ny hino fa ho maro ireo mpandraharaha vahiny ho avy hampiasa eto amintsika amin’ny taona 2017, izany hoe iray na roa volana aorian’ny fanatanterahana ny fivorian’ny frankofonia. Fantatr’izy ireo tsara fa efa miditra sahady amin’ny fikarakarana fifidianana Filoham-pirenena izay atao ny taona 2018 i Madagasikara ka aleon’ny mpanam-bola miandry izay Filoha vaovao vao miditra amin’ny mety fampiasam-bola ataony eto. Iaraha-mahalala rahateo ny tantara sy ny zava-misy fa miafara amin’ny savorovoro hatrany ny fifidianana eto amintsika.
Raha ny fizotran’ireo fifidianana nokarakarain’ny fitondram-panjakana ankehitriny mantsy dia ahiana be ihany ny hisian’ny savorovoro amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo. Niaraha-nahita ny tsy nety tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ary mbola nihamafy izany tamin’ny fifidianana loholona. Mazava ho azy fa efa nahazo traikefa amin’ny fomba fampandaniana ny kandidam-panjakana ny mpitondra ary hanao izay ho afany sy fahaizany hahatafaverina ny olon’ny antokom-panjakana ankehitriny eo amin’ny fitantanana ny firenena amin’ny alalan’ny fifidianana izay atao amin’ny taona 2018. Ahiana hiteraka savorovoro indray izany ary efa fantatry ny mpampiasa vola mialoha ka tsy ho avy eto amintsika izy ireo amin’ny taona 2017. Izany hoe tsy hitondra fampandrosoana velively ho an’i Madagasikara io fihaonan’ny vondron’ny firenena miteny manontolo na ampahany ny fiteny frantsay io. Olom-bitsy no hahazo tombontsoa amin’io ary izay te hanangon-karena vetivety amin’izao fotoana izao dia misisika mafy ho mpandray anjara amin’ny fikarakarana ny frankofonia. Samy mba te ho tafita dia samy te ho frankofonia.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







