Ankorondrano – Lehilahy maty an-drano
Lehilahy iray sahabo 40 taona any ho any no hita faty, tao anaty rano, teny Akorondrano, tao ambadiky ny trano fandraisam-bahiny Ibis. Ny fokonolona no nahita ny razana natsingevan’ny rano, omaly maraina. Razana miboridana tanteraka no nojonoan’ireo mponina. Tsy fantatra mazava kosa ny tena antony nahafaty ity lehilahy ity fa ahiana ho nisy namono izy vao natsipy tao anaty rano. Mety nendahin’ireo olon-dratsy izy io ka raha vao nanohitra azy ireo dia novonoiny avy hatrany. Tsy nisy nahafantatra ity lehilahy ity kosa ireo olona monina manodidina iny toerana nahitana ny vatana mangatsiaka an’ilay lehilahy.
Araka ny fanampim-baovao voaray, mahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana eny an-toerana amin’izao fotoana izao, indrindra amin’iny lalana vaovao vao namboarina izay mampitohy ny Marais masay sy Ivandry iny. Tsy azo aleha mihitsy iny toerana iny rehefa mipaika ny amin’ny 6 ora hariva.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







