Don chezda – Nanome 1 tapitrisa dolara amerikanina ny Bad
Tao anatin’ny 6 taona dia tsy nitsahatra nanolotra fanampiana foana an’i Madagasikara ny banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), vokatry ny rivo-doza nisesisesy. Manoloana izany indrindra dia nanolotra lelavola mitentina 1 tapitrisa dolara amerikanina ho an’ny Unicef ny Bad izay nampitondraina ny anarana hoe « Don chezda », rivo-doza nandalo farany teto amin’ny Nosy. Vola izay natao hanavotana aina sy ny hanamboarana ireo foto-drafitr’asa sosialy simba vokatry loza voajanahary. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana efitrano fampianarana 23 any amin’ny distrika maromaro, ivo-toerana fandidiana sy Csb miaraka amin’ny trano fivoahana sy lava-drano any Miandrivazo, ny fanamboaram-dalana amin’ny lalam-pirenena Rn34 sy 35, hividianana « ambulance » miisa 4 ary fanampiana ny fandraofana fako eto an-drenivohitra.
Omaly no nanolorana izany vola izany tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny lisea Andrianampoinimerina, Sabotsy Namehana, distrakan’Avaradrano, nandritra ny fametrahana ny vato fehizoro ny efitrano fampianarana izay ahorina eny an-toerana, izay miisa roa. Tamin’izany koa no nanolorana fiara fitaterana ho an’izany sekoly izany mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra. Nozaraina « tablette » miisa 50 ihany koa ireo mpianatra.
L.N sy Marino Michaël (Mpiana-draharaha)
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







