Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Zanaka polisy naolana zandary

Ankizivavy 11 taona monina ao Androranga no niharan’ny hetraketraky ny zandary iray miasa eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Zanaka polisy ity niharan’ny fanolanana ity raha toa ka mpanofa tranon’izy ireo kosa ilay zandary. Monina miaraka amin’ny reniny ilay ankizivavy ary amin’ny fotoana tsy maha eo ireo voalohany no nisehoan’ny herisetra. Efa ny volana novambra sy desambra 2015 no nitrangan’izany ary in-telo no niharan’izany ity ankizivavy.  Nantsoiny nankao an-tranony ilay zazavavy tamin’ny voalohany ary raha vantany vao tafiditra ao dia notampenana ny vavany ary vetavetainy amin’ izay. Rehefa vita ny filan-dratsiny dia rahanony. Torak’izay hatrany no niseho.

Araka  ny loharanom-baovao voaray, rahonany ho tifirina amin’ny basy ilay zaza raha tsy mankao an-tranony amin’ny fotoana ilany azy. Tsikaritry ny mpiara-monina anefa ny fihetsika hafahafa ataon’ity zandary ity ka nampandre ny ray aman-drenin’ilay zazavavy kely izy ireo ary rehefa nohadihadiana fatratra ity farany dia nilaza ny marina ihany. Tamin’izay ihany koa no nilazan’ny mpanampy azy ireo fa efa saika niharan’ny fanolanan’ilay zandary koa izy saingy mbola tafatsoaka. Noporofon’ny mpitsabo tao amin’ny hopitaly Be raha teo fa simba tanteraka ilay voaolana. Nametraka ny fitoriana, noho izany, ny rainy, ny 29 desambra 2015 lasa iny fa ny mahagaga anefa dia mbola miriaria ao Toamasina hatrany ilay nahavanon-doza.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre