Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Cfim – Hanatsarana ny ezaka an-dranomasina

Ho fanatsarana ny ezaka an-dranomasina dia nampahanfatarana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Tour Orange Ankorondrano, ny fijoroan’ny « Centre de fusion d’information maritime (Cfim) », izay entina iadiana amin’ny asan-jiolahy, mahakasika ny fanimbana ny tontolo iainana sy ny fanondranana ny harem-pirenena an-tsokosoko.

Midadasika be ny sisin-dranomasinan’i Madagasikara, mahatratra any amin’ny 5000 kilometatra, izay mahatonga ny gaboraraka amin’ny fitrandrahana ny solika sy ny entona, ny fidirana sy ny fivoahan’ireo sambo lehibe, ny jono tsy ara-dalàna. Fa amin’izao fijoroan’ny Cfim izao dia tapitra hatreo ny tsy maty manota satria voatily amin’ny alalan’ny fitaovana ampiasain’izy ireo avokoa ny zavatra rehetra mandalo eny an-dranomasina, indrindra ireo sambo miditra ny Nosy hatramin’ny toerana niaviany sy ny maha ara-dalàna azy na tsia. Araka ny tatitra azo dia maherin’ny 2000 isan’andro ireo sambo mivezivezy sy mandalo manodidina ny Nosintsika.

« Ny Cfim dia fitaovana iray ahafantarana ny zava-misy tsy ara-dalàna an-dranomasina amin’ny alalan’ny radara sy ny satelita. Manampy amin’ny fanomezam-baovao sy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ary ny fitiliana. Ny Cfim ihany koa dia manangona sy mitahiry ireo vaovao ary mamakafaka izany. Tsy vitan’izany fa mbola manambatra izany eny amin’ny loharanom-baovao isan-karazana vao mizara izany any amin’ireo sampana voakasika amin’izany », hoy Randrianantenaina Jean Edmond, Capitaine de Fregate. Marihina fa i Madagasikara no firenena faharoa manana ity fitaovam-pitiliana an-dranomasina ity aty amin’ny faritry ny ranomasim-be Indianina.

L.N sy Marino Michaël (mpianan-draharaha)

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre