Digue – Nofaohan’ny taksibe ny môtô-n’ny prezidansa
Môtô iray mpitarika ny kortezy ny filoham-pirenena no nofaohan’ny taksibe 194, omaly, tamin’ny 11ora sy sasany, manoloana ny hopitaly manara-penitra. Hatramin’ny fotoana nanoratana izao vaovao izao dia tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza fa raha ny fahitana ny lohan’ilay taksibe sy ny kodiaran-droa eo aloha dia mafy ny fifandonana. Nipitika lavitra ny toerana nisehoan’ny loza mihitsy ilay nitondra izany kodiaran-droa izany, noho ity farany izay nirimorimo fatratra. Vokany, torana tsy nahatsiaro tena izy io ka atahorana ny ainy. Tsikaritra ihany koa fa nisy ny fahadisoan’ilay fiara fitateram-bahoaka tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Raha ny fahitana ny tranga mantsy dia nangalatra lalana teny ankavia ilay taksibe.
Marihina fa nandeha namonjy ny lanonana fametrahana ny vato fehizoro amin’ny lisea Andrianampoinimerina, tao Sabotsy Namehana, distrika Avaradrano sy ny Epp Ambodimita, teny amin’ny boriborintany faha-enina ny filoham-pirenena, omaly maraina. Rehefa hamonjy fodiana eny Iavoloha iny indrindra no niseho ny lozam-pifamoivoizana. Nijanona kely ny kortezy fotoana hitondrana ny naratra tany amin’ny hopitaly fa tsy nivoaka ny fiara mihitsy ny filoha Hery Rajaonarimampianina, araka ny fanambaran’ireo nanatri-maso.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







