Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

An’ny fitsarana ny lakile

Manana ny heriny sy ny andraikiny goavana eto amin’ny fiainam-pirenena ny fitsarana ary niseho sy voaporofo izany tato ho ato. Vao manomboka ny taona dia efa mitodika any amin’ny Fitsarana avokoa ny mason’ny rehetra. Ny mpitsara ihany mantsy no tena tompon’ny teny farany amin’ny fanapahan-kevitra mikasika izay ho tanterahina eto amin’ny firenena. Ny akaiky indrindra amin’izany dia ny vokatry ny fifidianana loholona farany teo izay nivoaka omaly. Nazava be fa tsy niova firy tamin’ny vokatra vonjimaika ny vokatra ofisialy satria tsy azo noraisina ny ankamaroan’ireo fitarainana mikasika ny tsy fanarahan-dalàna. Niala maina fotsiny ireo nitabataba sy nilaza fa tsy hanaiky ny tsy rariny nitranga nandritra ny fifidianana loholona satria nolazain’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa tsy azo ekena, tsy azo raisina, sns….ireny fitoriana napetraka ireny. Tsy misy fahefana hafa ambon’ny HCC raha eo anivon’ny fitsarana ary rehefa tapaka tao dia karazan’ny tsy azo ivalozana. Tsy fantatra intsony, na ireo mpahay lalàna izay mpanolotsaina sy mpisolovava ireo kandida nahita fa nisy tsy ara-dalàna ny fifidianana no vendrana na ny HCC no mahay loatra fa dia izay aloa ny vokatra ka tsy maintsy eken’ny rehetra. Manana ny andraikitra goavana amin’ny fiainam-pirenena mihitsy ity resaka fitsarana ity ary samy manana ny fahefany isan’ambaratongany. Efa maroamro ihany mantsy izay ben’ny tanàna neken’ny fitsarana (tribunal administratif) fa lany tamin’ny fifidianana nefa nolavin’ny fitsarana an-tampony indray avy eo ary nanendrena ben’ny tanàna hafa. Tsy misy azon’ireo nosoloina atao intsony ihany koa satria efa izay ny didy farany.

Any amin’ny resaka politika iny fa amin’ny ankapobeny dia anisan’ny antsoantson’ny maro ny hisian’ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Eto Madagasikara anefa, hatreto, dia tsy mbola misy ny antsoina hoe fahefam-pitsarana. Ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna no misy eto fa tsy ny fahefam-pitsarana. Ity farany izay raha ny tokony ho izy dia andrim-panjakana iray mihitsy ary tsy eo ambany fahefan’ny governemanta toy ny minisiteran’ny Fitsarana.

Ireo mpitsara ireo anefa no tena andry iankinan’ny fametrahana ny tany tan-dalàna amin’ny alalan’ny fanasaziana izay mihoa-pefy eny anivon’ny fiaraha-monina sy nyfitantanan-draharaham-panjakana. Ankehitriny dia maro ireo maty fanahy sy olon-dratsy tsy matahotra intsony ny didy avoakan’ny fitsarana. Na olona voaheloka higadra mandra-pahafatiny izao aza mantsy misy tafavoaka ary mamerina ny heloka bevava efa fanaony ihany. Maro ihany koa ireo olona ambony eo anivon’ny fitondram-panjakana no ahiahiana ho nanao zavatra tsy ara-dalàna nefa tsy re firy ny fanenjehana azy ireny. Misy ary moa mpanao politika maromaro izay fantatra fa mbola iharan’ny sazy navoakan’ny didim-pitsarana nefa miriaria sy mirehareha eny anivon’ny fiaraha-monina.

Any amin’ny fitsarana ny lakile ahafahana mamerina amin’ny laoniny ny filaminana sy ny tany tan-dalàna eto Madagasikara. Na iza na iza rehefa diso dia tokony henjehina sy ampiharana ny lalàna mifanandrify amin’ny tsy nety nataony. Matetika ihany koa mantsy dia misy ihany ny tranga heverina fa mizana tsindrian’ila satria tsy mifanaraka amin’ny hadisoana natao ny sazy. Porofon’izany ny fitazomana mpanao gazety am-ponja vonjimaika noho ny ady heloka tsotra. Misy anefa olona efa voarohirohy amin’ny ady heloka bevava toa mahazo fahafahana vonjimaika. Tsy mpahay lalàna ny tena ary tsy miasa amin’izany ka tsy hiteniteny foana eto fa ny hita sy zava-misy no resahina. Raha ny hevitra hitovizan’ny maro an’isa izao dia ny hoe mila faizina ireo fanetry ben’ny firenena izay mitondra tsy fandriampahalemana sy mambotry ny vahoaka, ary ireo rehetra mpangalatra sy mpanodina ny volam-panjakana.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre