Hopitaly Besopaka – Tsy misy trano fivoahana sy fidiovana
Velon-taraina ireo mponina any amin’ny distrikan’i Sambava, indrindra ireo olona manana tsy fahasalamana mamonjy ny hopitaly Besopaka any an-toerana noho ny tsy fisian’ny trano fivoahana sy fidiovana ara-dalàna. Araka ny fampitam-baovao voaray dia voatery mandeha mivoaka eny ankalamanjana ireo marary. Raha hiseka indray dia mitady trano fidiovana ety ivelan’ny faritry ny hopitaly. Marihina fa misy « douche sy w.c » ihany ao fa efa tsy manaraka ny fenitra intsony. « Olombelona tsy akoho. Ny tena manahirana ny mahita ireo tanora na vaviantitra na lahiantitra avy misedra fandidiana mbola mandeha miampita lalana mitady toerana hivoahana sy hidiovana. Ireo olona handeha hakana rà aza dia mbola mivoaka eny ivelany mamany sy mamoaka ventiny. Sanatria ve tsy misy manam-pahefana intsony ny tanànan’i Sambava afaka mijery sy mitatitra ity zavatra ity any amin’ireo tompon’andraikitra mahefa izany », hoy ny loharanom-baovao. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra ambony sy fikambanana rehetra momba ny fahasalamana noho izany ireo tanora mba hijery ny ao amin’ny hopitaly Besopaka.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







