Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Ihosy – Zaza fito indray nihetsika ambalavelona

Iray andro taorian’ny fitsarana an’i Kohen Rivo Lala dia miverina amin’ny heriny ny ambalavelona. Aretina ateraky ny fampijaliana ataon’ny fanahy ratsy. Mpianatra miisa 7 ao amin’ny Epp Besavoa, any Ihosy no nihetsehan’ ity aretina hafahafa ity, omaly maraina. Voatery nalefa nody avokoa ireo mpianatra. Tsy toy ny fihetsehana hatramin’izay no niseho fa vao maika niha-nahery satria maharitra minitra maro izany. « Mikiakiaka mafy ireo zaza toy ireny misy biby be mampitahotra ireny ny fahitana azy. Lasa mivalo mainty ary mirifatra ka mivadika matanjaka be indray avy eo », araka ny loharanom-baovao.

Tsy tany Ihosy ihany anefa fa zaza ampolony mahery, mpianatra masera no nihetsika ambalavelona, omaly hatrany. Voatery naato ny fampianarana ary nalefa nody daholo ihany koa ny mpianatra rehetra. Sekoly iray hafa tsy miankina ihany koa no nahitana fihetsehana tamin’io fotoana io fa tsy fantatra ny isan’ireo lasibatra tao. Tsy fantatra intsony ny tena marina. Velom-panontaniana ireo mponina. Miaina ao anaty tahotra sy tebiteby ireo ray aman-drenin’ny mpianatra manoloana ity asan’ny devoly ity satria tsy misy fanafana ny aretina. Tsy ahitam-bokany loatra ny fandroahana devoly ataon’ireo mpitondra fivavahana, araka ny loharanom-baovao hatrany.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre