Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Nangalatra barika – Jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Mpangalatra iray no matin’ny fokonolona, omaly maraina, tamin’ny 2 ora tany ho any, tao Ambodiampaly, any Manakara. Tratran’ny mponina nangalatra barika izy io ka tsy namelan’izy ireo. Niantsoantson’ireo vahoaka vonjy ka raikitra ny fanenjehana ary niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany rehefa tratra. Nofatorana ny tendany ary nofantsihana tamin’ny fanjaitra ny lohany. Tsy afaka nihetsika intsony dia raikitra amin’izay ny daroka sy vono. Nijininika ny rà eran’ny vatany. Efa niakatra ny masony vao nifandroritan’ny fokonolona nentina tany amin’ny hopitaly ny lehilahy saingy tsy avotra intsony ny ainy.

Iray hafa naratra mafy

Iray hafa koa naratra mafy, tao amin’ny fokontany Andranomadio vakim-paritra 11/44, any Toamasina, mbola omaly maraina hatrany fa tamin’ny 3 ora. Saron’ny olona teo am-pangalarana akoho mpiady 300 isa ny tovolahy iray sy ny namany fa izy no tratra. Nanontaniana tsotra izy mba hilaza ny misy namany fa tsy nety nilaza mihitsy ka nodarohan’ny mponina  fa tsy nety niteny mihitsy. Lasa ihany koa ny vely hazo sy ny totohondry fa naleony nanao sary maty efa hatramin’ny 5ora sy sasany maraina. Vaky nandositra ity farany vao naheno fa aterina any amin’ny polisy fa tsy lasa lavitra dia tratra ny fokonolona ka raikitra indray ny daroka mamaivay. Rehefa nazava ny andro dia hita fa tsy misy ravin-tsofina ilany intsony ary efa tapaka ny ratsan-tanany roa. Tsikaritra ihany koa fa tsy misy filahiana ity tovolahy ity rehefa raraka ny patalohany. Nanapa-kevitra ny hanapaka ny tanany havanany noho izany ireo mponina no tonga ny polisy hisambotra azy. Fantatra nandritra izay fa efa mpamerina heloka ity tratra nangalatra ity. Efa in-efatra nigadra ary vao telo andro izay no nivoahan’ny fonja.

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre