Tondra-drano – 4 000 ny traboina any Mampikony
Very fanahy mbola velona ny mponina maro any amin’ ny distrikan’i Mampikony manoloana ny tondra-drano any an-toerana. Tena safotry ny rano tanteraka ny tanàna amin’ny faritra maro ary afaka idiran’ny lakana mihitsy ao an-tanàna, araka ny loharanom-baovao. Ireo mponina eny amin’ny faritra iva no mizaka izany. Misedra olana maro samihafa ireo fokonolona vokatr’izany ka tafiditra ao anatin’izany ny tratry ny mosary. Araka ny vaovao voaray hatrany dia tapitra simba avokoa ny fambolena ary ringana ny biby fiompy rehetra. Ary ny tena loza dia tsy afaka mandeha mianatra ireo ankizy. Raha ny tatitra azo dia efa hananika ny 4 000 ireo traboina any an-toerana.
Tsy ao Mampikony ihany anefa no tratran’ity tondra-drano be ity fa mipaka hatrany Mahajamba-Usine, any Mahajanga II izany. Difotry ny rano tanteraka ihany koa ny any an-toerana ary olona 3 000 isa eo no voatery hafindra monina nefa tsy hay hoe alefa aiza. Samy mibata ireo entana lafo vidy izay atahorana ho simba avokoa izy ireo. Manoloana ity voina mahazo azy ireo ity dia manentana sy manainga mavesatra ny tompon’andraikitra mahefa sy ny fitondrana mba hijery sy hamonjy azy ireo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







