Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Herinandro mangotraka

Hafampana sy hampangitakitaka ity herinandro ity ary hanjakan’ny fanehoan-kevitra sy ny tranga tsy ampoizina. Mety ho amin’ity herinandro ity mantsy no hanendrena ireo loholona 21 anjaran’ny filoham-pirenena ary hanaraka izay ihany koa ny fandravana ny governemanta sy ny mety hanendrena ireo minisitra vaovao. Raha ny marimarina kokoa dia mety ho anio izany rehetra izany no hitranga satria feno roa taona katroka androny ny nandraisan’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny fitondrana ary herintaona kosa ny an’ny governemanta Ravelonarivo. Raha tsy nanova fomba fiasa ny Filoha dia tokony ho ity andro ity ny handravany io governemanta ankehitriny io ary hanendreny ny praiminisitra vaovao sy ireo minisitra hiara-hiasa aminy. Tombatombana ihany izany rehetra izany fa ny any an-tampon’ny fahefana eto Madagasikara ihany no mahalala izay tokony ataony. Tsy misy mibaiko azy ary tsy misy hanery na dia hanome soson-kevitra fotsiny aza fa ny filoham-pirenena irery ihany no tompon’ny teny farany sy ny safidy ary ny fanapahan-kevitra.

Raha ny lojika anefa dia mitodika tanteraka any amin’ny fanendrena loholona ny rehetra amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy tendrena ireo loholoana 21 satria izay no voafaritry ny Lalàmpanorenana. Tsy maintsy atao haingana ihany koa ny fanendrena azy ireo satria maika hiasa ny Antenimieran-doholona. Ny zava-misy ihany koa dia mampiseho fa maro amin’ireo minisitra amperin’asa no tsara toerana mety ho voatendry senatera. Izany hoe ho banga ny toeran’ny minisitra sasany ao anaty governemanta. Fomba iray ahafahan’ny filoha manararaotra manova ny ekipa miara-miasa aminy io anefa tsy hanaratsy endrika azy eo anatrehan’izay tsy maintsy esorina. Tsy vita mora mantsy izany hanova governemanta izany fa mila fandinihina sy fanapahan-kevitra faran’izay sarotra satria olona hitantana ny firenena no ho tendrena. Mazava ho azy fa raha vao diso safidy ny mpanendry dia hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana katsahiny ho tanterahina izany. Tsy azo odian-tsy hita, ihany koa, fa tsy ho faly ary mety hitsangana ho fahavalo ireo nesorina tamin’ny toerany satria sady very voninahitra no ho very fihinanana. Kihon-dalana lehibe iray ho an’ny tohin’ny raharaham-pirenena ity herinandro ity, noho izany, satria ahafahana mitily ireo olona tena hitan’ny filoham-pirenena fa azo atokisana sy hiara-hiasa aminy akaiky amin’ny fitantanana an’i Madagasikara.

Raharahan’ny samy mahitahita sy ny olona ambony anefa izany rehetra izany fa ny vahoaka madinika ihany koa dia manana ny manahirana sy maha ory azy. Amin’ity herinandro ity ihany koa mantsy dia efa maromaro sahady ireo vondrona na fikambanana samihafa mitetika ny hanao hetsika fitakian-jo. Anisan’izany ny ampahany amin’ireo mpianatra eny Ankatso izay tsy mbola nahazo vatsim-pianarana mihitsy tao anatin’ny 7 volana. Manampy azy ireo rahateo ny namany rehetra izay efa nahazo izany. Vola nivoaka tamin’ny kitapom-bolam-panjakana io takian’ny mpianatra io ka rariny sy hitsiny raha omena azy ireo ny anjarany. Manomana fihaonana izay mety hiafara amin’ny hetsika fitakian-jo, ihany koa, ry zareo eo anivon’ny fikambanam-ben’ny mpiraki-draharaha eny anivon’ny fitsarana. Raha tsy tanteraka ny fitakian’izy ireo dia mety hitarika hatrany amin’ny fitokoana, ihany koa, ny raharaha. Ankilazan’izany anefa dia tsy mety voavaha ny resaka tsy fandriam-pahalemana sy ny fahalafosan’ny vidim-piainana. Misy tena mpanararaotra eto amintsika satria na dia nidina be aza ny vidin’ny solika dia tsy nihetsika kosa ny saran-dalana sy ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Vao mitsidika ny herinandro dia efa sahiran-tsaina ny ankamaroan’ny isan-tokantrano mikasika ny mety ahitana vola hivelomana mandra-pahatongan’ny fandraisana karama. Mafy ny ady, sy tolona hahafahana mivelona eto Madagasikara. Herinandro mangotraka indray no ho diavintsika rehetra koa dia samia mahery sy mijoro ary tsy kivy fa mbola ho avy ilay maraina hoy ny fomba fitenenana.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre